TOAMASINA

Mpitarika posy nitondra entan’olona nitsoaka


  • Alakamisy 25 Janoary 2024

Raha mpitondra bajaj iray no voaendaky ny jiolahy tany Mahajanga tany afak’omaly Talata

dia mpitondra posy nitondra entan’olona nitsoaka indray no nalaza tao Toamasina tao, omaly Alarobia. Raha araka ny fantatra dia posy nalaina mba hitondra ireo entana avy novidiana teny amin’ireo magazay samihafa izy io. Olona avy any Fenerive-Est kosa no tompon’ilay entana. Noentin'ilay posy nitsoaka anefa ny entana rehetra tamin'ny carton maromaro rehefa niverina tampoka naka ny entana adinony tao amin’ilay tranom-barotra iray efa nolalovany ilay tompon’entana. Gina tsy nahateny ity farany vokatr’izany no sady fanina. Raha araka ny fantatra mantsy dia an’hetsiny maro no tontalim-bidin’ireo entana very ireo. Ilay posy tetsy an-daniny fotoana vitsy monja dia nanjavona izay tombanana ho efa nanana olona mpiray tsikombakomba taminy nahafahany niafina haingana ilay tompon’entana. Efa nampandre ny mpitandro ny filaminana moa ity farany.
Pati
Legende : Tsy azo hitokisana intsony koa ny mpitarina posy ao Toamasina amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT