Toamasina

Mpamily tuc tuc nanendaka, voasambotra


  • Talata 14 Aprily 2026

Mpamily tuc tuc iray tao Taomasina no

fantatra fa nanendaka mpandeha ka tratra. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahare olona niantso vonjy ny mponina tao Ambohijafy manodidina CSB 2, ao Toamasina omaly Alatsinainy 13 Aprily tokony ho tamin' ny 3 ora maraina. Vehivavy miisa 2 hody avy niala voly no nendahin'ilay mpamily. Efa nisy namany roalahy tao anaty Tuc Tuc nanampy azy nanao ny asa ratsiny. Nokendain'izy telolahy ny izy roavavy. Mbola nahavita niantso vonjy kosa anefa ireto farany. Nivoaka ny fokonolona namonjy azy ireo ka nitsoaka ireo mpanendaka. Tonga ara-potoana ny mpitandro ny filaminana ary voasambotra ny mpamilin'ilay Tuc Tuc taorian'izay. Mila mailo araka izany ireo olona mpitaingina Tuc tuc ao Toamasîna fa efa tena miharatsy ny resaka fandriampahalemana.
Pati
Légende : Ity ilay mpamily tuc tuc tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT