Fandriampahalemana

Toamasina Mirongatra ny halatra moto sy ny fanafihana


  • Alatsinainy 09 Novambra 2020

Mafampana ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Lehilahy iray manodidina ny 40 taona no maty notifirin’ireo jiolahy miisa 4 ny sabotsy teo.

 

 

 Tsy tratra ireto farany fa tafaporitsaka raha araka ny fantatra. Ankoatra izay dia Ramatoa iray nitondra moto ihany koa no niharan’ny asa ratsin’ireo jiolahy tao Morafeno, Toamasina ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 03 ora folakandro. Moto marika BWS io nendahin’ireo jiolahy manta io rehefa nentin’ilay Ramatoa saingy voasoroka. Nisy Polisy iray nahita ny zava-niseho mantsy ka nanakana ireo jiolahy avy hatrany. Nahitana izany ireto farany ka napetrany avy hatrany ilay moto ary nandositra izy ireo. Efa tafaverina amin’ilay ramatoa tompony moa ilay moto.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT