Fandriampahalemana

Toamasina Maty voatifitry ny polisy i Rasihanaka sy ny ekipany


  • Talata 17 Janoary 2023

Tapitra ny 99 andron-dRasihanaka sy ireo namany telolahy. Maty voatifitry ny FIP sy ny UIR omaly Rasihanaka sy ireo namany 3 lahy.

Efa ela no nampahalaza ilay ranamana io tany Toamasina amin'ny resaka fanafihana mitam-piadiana, raha tsiahivina. Mahavanon-doza mihitsy izy mandritra izany na dia hanafahany ain’olona aza. Raha araka ny fantatra dia efa nampitondra faisana mponina tao Vohidiala Ambatondrazaka ny anaolahy. Nataony tao anaty rano mandevy ny zanaky ny tompon-trano iray notafihiny rehefa tsy nety nanome vola azy. Mbola nodorany velona tao an-tranony ihany koa ireo olona 3 mianaka nandritra izany ary tsy nananany hantra mihitsy. Tao amin’ny kirihitr'ala Adema Ambalamanasy moa no nahatraran’ny FIP sy ny UIR azy telolahy ireto. Tsy mipetraka any an-trano intsony mantsy izy ireo fa miafina any anaty ala ho fiarovany ny ainy.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT