Toamasina

Mampihoron-koditra ny tsy fandriampahalemana


  • Talata 05 Novambra 2024

Mampihoron-koditra ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Nisehana fanafihana cash point indray tao

Mangarivotra Sud parcelle 21/52 amin’ny lalana rarivato mitsofoka avy amin’ny Bar Dodone omaly takariva, araka ny vaovao voaray. Vehivavy 1 mpanao cash point hody an-tranony no notafihana lehilahy miisa roa. Notsatohan-dry zareo antsy tao an-damosiny. Efa akaiky trano izy voatafika io, ka niantso vonjy. Henon’ny anadahiny ka nivoaka hanavotra ity farany, kinanjo voan’ny tsatok'antsy teo amin’ny tratra. Lasa ny vola tamin’ilay madama, ary samy naratra, ka voatery nentina notsaboina any amin’ny hopitaly izy ireo. Mbola tsy ampy herinandro ilay tranga nitifiran’ny jiolahy teo amin’ny andriny ilay renim-pianankaviana iray tompona tranombarotra lehibe, dia io indray fa misy tranga hafa. Ampahany ireo fa tena manao ranolava ny fanafihana mitam-piadiana sy ny asa ratsy samihafa ao Toamasina. Ny resaka fanafihana « cash point » izany moa dia mila ho isan’andro !
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT