Fandriampahalemana

Toamasina Jiolahy iray maty voatifitra, roa hafa tafaporitsaka


  • Alakamisy 16 Septambra 2021

Anisan'ny jiolahy nanao fanafihana mitam-piadiana tany Toamasina ny 04 septambra lasa teo ny jiolahy iray . Raha tsiahivina kely ny tantara dia lasan'izy ireo tamin'izany ny vola 20 tapitrisa Ar.

Zatra nahazo izy ireo ka tamin’ ny alatsinainy lasa teo izy sy ny namany roa lahy dia nikasa hanafika olona nitondra vola tao Tanambao V, hoy ny vaovao. Nametraka vela-pandrika ny mpitandro ny filaminana rehefa nahazo loharanom-baovao. Raikitra ny fifanenjehana nandritra izany ka maty voatifitra ny jiolahy io raha nikasa hifampitifitra tamin'ny polisy izy. Azo soamantsara ilay basy PA iray tamin'ilay jiolahy sy ny bala fampiasany tamin'izany. Tafatsoaka kosa ny namany roa ary mbola karohina fatratra.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT