TOAMASINA

Jiolahy havanana amin’ny fanafihana maty voatifitra


  • Alatsinainy 13 Janoary 2025

Nifanesisesy ny vaky trano tao an-tampon-tanan’i Toamasina ny faran’ny volana desambra teo sy ny fiandohan’ny volana Janoary.

Nanamafy ny paikady ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny fikarohana ireo jiolahy ny Polisy mba hamongorana ireo mpanao ratsy. Ny Alarobia 08 Janoary teo tokony tamin’ny 03 ora maraina, teo akaikin'ny CSB II Tanambao Verrerie, dia nifanehatra tamina olon-dratsy miisa 05 efa nampiahiahy, ary nasaina nijanona hanaovana fisavàna ny Polisin’ny UIR manao fisafoana. Nanohitra avy hatrany anefa ireo jiolahy ary namoaka fitaovam-piadiana nanoloana ny mpitandro filaminana. Tsy maintsy niaro tena ny Polisy ho fiarovana ny ainy ka lavo noho ny tifitra nahazo azy ny jiolahy iray raha toa ka tafaporitsaka kosa ireo namany efa-dahy izay mbola karohina fatratra. Fantatra fa jiolahy efa nokarohina sy mpanao fanafihana ao Toamasina ity lavo ity.
Pati
Legende : Efa lasa any amin’ny varo tsy mifody ity jiolahy mpanao fanafihana tao Toamasina ity !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT