Fandriampahalemana

Toamasina Jiolahy 3 rotiky ny bala, 3 azo sambo-belona


  • Zoma 03 Jolay 2020

Nahazo angom-baovao ny Polisy fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanao fanafihana mitam-piadiana ao Barikadimy.

 

 

 

 

 Tsy niandry ela ny Polisy avy ao amin'ny hery vonjy taitra (FIP) fa nidina tany an-toerana avy hatrany rehefa voamarina ny angom-baovao voarain'izy ireo. Vao nahatazana ny Polisy ireto andian-jiolahy ireto dia tsy nisalasala nitifitra ny mpitandro ny filaminana, hoy ny tatitra nataon’ny mpitandro filaminana omaly maraina. Raikitra ny fifandonana mahery vaika ka jiolahy miisa 03 indray no lavon'ny balan'ny Polisy nandritra ny fifampitifirana ary jiolahy miisa 03 hafa ihany koa no azo sambo-belona. Basy lava calibre 12 sy basy poleta vita gasy miaraka amin'ny bala no mbola tratra teny amin'izy ireo. Taorian'ireo jiolahy mitam-basy lavo tetsy Masay dia ravan'ny Polisy ao Toamasina ihany koa ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana mahery vaika any an-toerana, hoy ny fampitam-baovaon’ny Polisim-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT