Fandriampahalemana

Toamasina Averina ny dinam-pokonolona


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Namory ireo sefom-pokontany miisa 138 sy ny lefiny ato anatin’ny Distrikan'i Toamasina l teny amin'ny Lapan'ny prefektiora Mangarano ny OMC notarihin'ny Prefen'i Toamasina 𝐀𝐌𝐁𝐈𝐍𝐈𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 𝐉𝐞𝐚𝐧 𝐉𝐨𝐬𝐞́ omaly.

Nivoitra nandritra izany fa averina sy hamafisina ny fiaraha-mientana mahakasika ny andrimasom-pokonolona ao Toamasina ary ezahina hatsaraina hatrany ny filaminana. Nisy araka izany ny famolavolana ny hisian'ny dinam-piaraha-monina manerana ny fokontany rehetra ao Toamasina hampanjakana misimisy kokoa ny filaminana. Nentanina ihany koa ny vahoaka hiaro, hitandrina tsara manoloana ny hain-trano sy ny doro ala izay tsapa fa mihamahazo vahana tato ho ato. Hisy ny fizarana jiro manome hazavana miisa 400 ao Toamasina tampon-tanàna hahafahana miady amin’izay tsy fandriampahalemana izay, fanomezana avy amin’ny Ministeran'ny angovo sy ankoran’afo. Hamafisina ihany koa ny asa fanakatonana ny bara rehetra ao Toamasina monomboka amin'ny 10 ora alina.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT