Fandriampahalemana

TETEZAN-DRAMALA ISOTRY Tsy mety tapitra ny mpangarom-paosy


  • Talata 08 Aogositra 2023

Tsy mety tapitra ireo mpangarom-paosy eny amin’ny tetezan-dRamala Isotry.

Roa isan’andro raha kely ireo tazana manendak’olona sy manao sinto-mahery eny an-toerana izay tafaporitsaka hatrany raha araka ny fitarainan’ny mponina. Sendra ny nahay azy kosa anefa ireo roalahy sarona omaly izay 21 sy 32 taona. Omaly Alatsinainy 07 aogositra tokony ho tamin'ny 10 ora sy sasany maraina no nahatrarana azy ireo teny amin'ny tetezan-dRamala raha saika hangarom-paosy. Tsy nisy zavatra azon'izy ireo moa nandritra izany vokatry ny fahamailoan’ireo polisy nanao fisafoana teny an-toerana. Rahampitso no hatolotra ny fitsarana izy mirahalahy ireto izay samy nilaza fa tsy an’asa nefa mamelom-bady aman-janaka.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy sarona teny amin’ny tetezan-dRamala !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT