Fandriampahalemana

Tetezan-dramala Isotry Tratra niaraka tamin’ny antsy ilay mpangalatra


  • Alarobia 09 Novambra 2022

Tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP 4 Isotry teny akaikin’ny Tetezan-dRamala ny lehilahy iray 20 taona omaly 08 novambra tokony ho tamin’ny 12 ora sy 30mn atoandro.

Mpangalatra miaraka amin’ny fitaovam-piadiana toy ny antsy hatrany izy io ary efa ela no notadiavina. Nametrahana Polisy avokoa araka izany ireo toerana be mpanjifa ka tamin’izany no nahatrarana ity lehilahy ity teny Isotry. Nandritra ny fisamborana azy dia mbola hita teny aminy ny antsy miisa 02 sy tournevis izay handrahonany olona sy hampiasainy mandritra ny asa ratsy izay fanaony. Efa fantan-daza sy mpameri-keloka amin’ny asa ratsy toy izao ity lehilahy voasambotra ity. Any Andohatapenaka izy no mipetraka raha eny amin’ny faritra Isotry kosa no manao asa ratsiny.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT