amin’ny tafika…
Miteraka fahasorenana na « frustration" any anatin’ny tafika ny fisehoana sy resaka matetika amin’ny haino aman-jery na « interventions médiatiques » nisesy nataon'ny Jeneraly misotro ronono Atoa Désiré Ramakavelo tato ho ato mikasika ny tafika. Ity farany izay nanakiana mivantana Filohana andrim-panjakana iray tamin’ireo voalaza fa fisiana miaramila rosianina manodidina filohana andrim-panjakana iray eto sy ny mety fitsabahan’ny miaramila vahiny. "Mahamenatra, indrindra ny olona ataontsika hoe any amin'ny sehatry ny Fitondrana sy amin'ny toerana ambony. Tsy fanasiana hasiny ny Malagasy, ny manampahaizana Malagasy, ireo tompon'andraikitra sy tompon-toerana amin'ny sehatra izay misy azy, ohatra ny miaramila ! Tena tsinontsinoavinao mihitsy izany ilay miaramila Malagasy, tsy mahay na inona na inona», hoy ity Jeneraly misotro ronono ity. Toa niantso ny tafika hanao setriny tsy hanaiky izany aza ity farany raha nilaza hoe : « Manàna hambo-po lehiretsy , mijoroa amin'ny maha miaramila Malagasy antsika, manana ny maha izy azy, Jeneraly misotro ronono Aho no miteny an'izany, mahatsiaro menatra amin'ny zava-misy. Tsy asiana dikany tsy asiana hasiny ! Fa iza no hiaro an'ity Firenentsika ity tsy ny miaramila Malagasy ? Sa hiandry ny Rosianina, sinoa,... ?», hoy hatrany ny Jeneraly misotro ronono Désiré Ramakavelo. Te hibaiko an-kolaka ny miaramila ny Jeneraly Ramakavelo mba hitroatra sy hisavorovoro sa mbola te hanana dian-tànana amin’ny tafika toa ilay filohana andrim-panjakana iray tamin’ireny andron’ny tolom-bahoaka ireny? hoy ny fanontaniana. Raisin’ny ao anatin’ny FDS ho fampiadiana amin'ny CEMA Jeneraly Pikulas Démonsthène ny fanehoan-kevitry ny Jeneraly Ramakavelo indrindra amin’ny resaka fiaraha-miasa ara-tafika. « Efa hatramin'ny androny anefa no nampiasa fitaovana Rosianina ny Tafika ary « formateurs » no tonga eto ka tsy misy idiran'ny hoe tsindry. Voafehy ary milamina ny FDS, matoa rahateo ireo mbola samy tafaverina amin’ny toerany avokoa. Tsy tokony mitsabaka amin'ny lamina anatin'ny FDS izy fa mba mipetraka migoka ny fisotroan-dronono amin'izay, sady efa nisafidy lalan'ny sivily rahateo ihany koa », hoy ny fanazavana. Marolafy ny fiaraha-miasa ara-tafika vahiny : frantsay (FAZOI), Rosiana, Sinoa,... ka tsy misy resaka tsindry na « ingérence ». Nisy ny filazana nataon’ny CEMA Jeneraly Pikulas teny amin'ny CCI Ivato nandritra ny fikaonandohan’ny tafika hoe tsy hangina intsony ny FDS manomboka eto, izay midika fa miasa manaraka rafitra sy fitsipika ny FDS. Matoa misy miaramila naiditra am-ponja dia nisy izany ny « ordre de poursuite » avy amin'ny lehibe. Isan’ny noresahan’ny CEMA tany amin'ny hetsika Papangue FAZOI tatsy La Réunion ny raharaha Kolonely Patrick Rakotomamonjy, izay nambarany fa miandry azy hiverina ao amin'ny Tafika ny fandraisana fepetra mikasika azy satria efa nisafidy ny lalana sivily izy rehefa notendrena ho Tale Birao fandraisana fitarainana na « bureau des doléances » teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika,… izay endrika maneho fa mandray ny tandrify azy eo anatrehan’ny mety fihoaram-pefy fa tsy mitazam-potsiny, raha ny fanavazana azo. Na izany aza, misy mety tokony hampisaintsaina ihany ny zavatra nambaran’ny Jeneraly Ramakavelo sasany…
Toky R
"Hita taratra ankehitriny fa maro ny zavatra tsy mandeha amin'ny laoniny eto amin'ny firenena, ny mpitondra toa tsy mahavaha olana. Tsy mety raha hiandry ny fankatoavana avy amin’ny vondrona Afrikanina sy ny SADC isika vao hamaha olana eto Madagasiakra. Tao anatin’ny roa andro dia vita ny «Convention de Panorama» tamin’ny 31 Oktobra 1991 rehefa nijoro ny miaramila Malagasy, hoy ny Jeneraly misotro ronono Atoa Désiré Ramakavelo. Ity farany izay milaza fa tsy maintsy miditra amin’ny raharaharam-pirenena araka izany ny miaramila mitondra vahaolana
Efa nilaza ihany koa raha tsiahivina ny lehiben'ny Etamazoron'ny TAFIKA nandritry ny fikaonandohan'ny foloalindahy fa hiteny sy hijoro ho an'ny firenena manomboka izao
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.