TENY ANTOHOMADINIKA TENY

Zaza 2 volana nisy nanary tao anaty rano maloto


  • Alakamisy 07 Aogositra 2025

Zazakely menavava, tombanana ho 2 volana eo ho eo no nisy nanary tao anaty "dalle"

fandehanan'ny rano maloto teny Antohomadinika teny, kaominina Antananarivo renivohitra. Omaly Alarobia 06 Aogositra maraina no nitrangan'izany. Vaky ny resaka taorian'izany fa nahatsikaritra vehivavy roa, izay tsy mponina eny an-toerana, nihaodihaody teny amin'ny manodidina ny mponina.Nitondra harona plastika mainty izy ireo hoy hatrany ireto farany saingy tsy tao an-tsain'izy ireo ny mety ho anton-diany. Tsy fantatra ihany koa na efa maty ilay zaza na mbola velona no narian'ireo tsy mataho-tody tao anaty dalle. Efa misokatra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha mampalahelo ity.
Nangonin'i Pati
Légende : Tao anaty dalle fandehanan'ny rano.maloto tahaka izao ilay tsy manan-tsiny no hita ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT