Fandriampahalemana

Telolahy mpanendaka eny Analakely Tratra ary efa nidoboka eny Antanimora


  • Sabotsy 16 Mey 2020

Telolahy efa fantatra amin’ny fanaovana asa ratsy toy ny fanendahana eny amin’iny faritra Tsaralalana sy Behoririka iny no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Commissariat de Sécurité publique,

 

Boriborintany voalohany Analakely, ny alakamisy, 14 mey. Naharay antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy fa misy telolahy efa fantatra amin’ny asa fanendahana efa mampikolahy ny olona, hita matetika misotrosotro eo amin’ny bara iray eo Ambohijatovo ambadiky ny fiantson’ny taxi-be. Ao amin’io bara io ry zareo no mandeha rehefa avy manao sy manomana ny paikady enti-miatrika ny asa fanendahana. Natao ny fanaraha-maso azy ireo ka nasiana polisy manao fanamiana sivily nalefa nisotrosotro tamin’ilay bara falehan’izy ireo. Tsikaritra tamin’izany ireto telolahy manao fihetsika hafahafa toy ny fanasan-tànana amin’ny toaka. Ny alakamisy, 14 mey teo dia natao ny fanarahan-dia azy ireo rehefa niala tao amin’io bara io ka nidina niazo an’ Analakely. Nahatsikaritra izy ireo fa misy manaraka ka rehefa tonga teo amin’ny Anjary hotel dia nirifatra nandositra niazo ny elankelan-trano izy ireo. Efa nasiana polisy nanao fanamiana teny amin’ilay bara falehan-dry zareo. Avy dia hamonjy io toerana io izy ireo no nifanehitra tamin’ny polisy, noraisim-pitsiny ny iray fa ny roa saika handositra no tsy lasa lavitra dia voasambotra ihany koa. Niaiky ny heloka vitany izy ireo. Rehefa natao ny fisavana azy ireo dia nahitana ireo akanjo fisolosoloany eny am-pandosirana tany anaty kitapony. Mampiasa lama sy antsy izy ireo amin’ny fanaovana ny asa ratsiny. Efa nampidirina eny am-ponja avokoa izy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT