TELOLAHY KELY TSY AMPY TAONA

Mahavita mamaky trano, fiangonana, cash point,…


  • Zoma 21 Martsa 2025

Mihanaka ny fahantrana eto amintsika. Betsaka ireo ankizy efa tsy

mianatra intsony noho ny fahasahiranana raha tsy an’asa kosa ireo efa lehibebe hany ka manaotao foana. Zazalahy kely miisa 3 izay 12, 13 ary 14 taona no fantatra fa nivarotra finday mampiahiahy ny datin’ny 17 Martsa teo teny Ambalavao Atsimondrano ka rehefa nosamborina ny iray dia nahitana finday miisa 14 tany aminy. Nosamborina tany an-tranony koa ny namany iray izay mbola nahitana finday miisa 4 sy kojakoja samihafa. Naterin-dReniny tao amin'ny zandary ihany koa ny naman'izy ireo fahatelo izay efa nitsoaka tany Sabotsy Namehana niaraka tamin'ny finday roa, casques, radios cartes JBL maromaro. Raha araka ny fantatra dia efa tena malaza ratsy eo an-tanàna izy telolahy kely ireto ary tsy mifidy angalarina fa izay sendra azy ireo dia manjavona avokoa. Efa betsaka ny zavatra vitany teo amin'ny fokontany manodidina azy ireo. Nalefa eny amin’ny Toby Fanarenana eny Anosiala avokoa moa izy telolahy ireto taorian’ny fanadihadiana natao azy.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy sy ireo finday nangalariny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT