Fandriampahalemana

Tatsambo Malagasy Mbola tokony ho avo folo heny


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2023

Raha ny antontsan’isa, 11 751 ireo tantsambo efa nivoaka tao anivon'ny Sekolim-pirenena fanofanana tantsambo na ny ENEM (École nationale d'enseignement maritime).

Voalaza fa mbola tsy ampy io raha ny filàna izany ho an’i Madagasikara. « Mbola tokony hampitomboina avo folo heny io isa io raha oharina amin'ny filan'ny firenena », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr'andro, Ramonjavelo Valéry. Amin'ny maha nosy an'i Madagasikara, tena ilaina ny fampiofanana sy fitrandrahana ny asa an-dranomasina sy an-dranomamy. Rah any antontan’isa hatrany asa 2 734 no niforona vokatry ny fisian'ity sekoly ENEM ity teo anelanelan’ny 2009-2023. Nisy ny atrikasa isan-karazana izay natrehin’ny Minisitry ny jono sy ny toekarena Mahatante Paubert ny faran’ny herinandro teo tany amin’ity sekoly ity. Nandritra izany ihany koa no niresahana fanamboarana ny "piscine semi-olympique". Hojerena akaiky, hoy ny minisitra, ny fanatsarana ny rafitra sy fanapariahana ny sekoly manerana ny Nosy. Eo koa ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra samihafa. Ho an'ny sehatry ny Jono, ny ENEM no nanofana ny mpanara-maso ny jono 20 mianadahy. Notsiahivina fa tany amin'ny taona 1962 no niorenan'ny ENEM tao Mahajanga, faritra Boeny, izay sekoly tokana mampiofana olona ho matihanina amin'ny asa amin'ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy. Tsara ny manamarika fa mahatratra 500 miliara dolara ny tsenan’ny hazan-dranomasina maneran-tany. Isan’ny manana ranomasina mivelatra indrindra aty Afrika I Madagasikara ka raha ny 1 isan-taton’io fotsiny dia efa 5 miliara dolara, avo telo heny amin’ny vola hampiodinana any Madagasikara isan-taona. Mba tena omentsika lanja ve ny harena an-dranomasintsika mba ho lasa fanohitra ara-toekarana? Tena mifandraika amin’ireny ve ny fampianarana eto Madagasikara?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT