Fandriampahalemana

Tarik’i Rasta Tratra tao an-tranony niaraka tamin’ny basy sy bala


  • Talata 13 Septambra 2022

Efa misy tarika koa zao ny mpangalatra sy mpamaky trano. Tratra tao an-tranony omaly alatsinainy 12 septambra tao an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa ny tarik’i Rasta hivondronan’izy efa-dahy mpamaky trano.

Rehefa nosavain’ny mpitandro ny filaminana ny tranony dia mbola nahitana fitaovana maro samihafa toy ny basy vita gasy iray sy bala miisa roa, finday miisa dimy, firavaka volafotsy, radio sy baffle, antsy ary moto cross iray. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy tany an-toerana izy ireo nanaovana fanadihadiana ka tamin'izany no nahafantarana fa izy efadahy ireto no isan'ireo mpanao halatra mitam-piadiana ao an-tampon-tanàn'i Fianarantsoa. Mbola misy ny naman'izy ireo hafa karohina hatramin’ny omaly. Afa-doza araka izany ny mponin’i Fianarantsoa.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT