Tarika Oladad

Nisy nangalatra teny amin’ny RN2 ny valizy


  • Alatsinainy 04 Novambra 2024

Ankoatra ny fidirana an-keriny anatina kamiao mandalo dia fantatra fa efa misy mpangalatra

entana ihany koa any amin’ny lalam-pirenena faharoa miazo an’i Toamasina amin’izao. Voakasik’izany ny entan’ny tarika Oladad izay nisy valizy miisa 4. Raha araka ny loharanom-baovao dia afak’omaly Sabotsy alina no nitrangan’izany raha handeha hiakatra teto an-drenivohitra izy ireo ary saika hanao live tetsy amin’ny Naturia Palm omaly Alahady 03 Novambra. Valizy miisa 6 no tao anaty labasy saingy 2 sisa no tavela rehefa novahana izany tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, fotoana nahatongavan’izy ireo teto Antananarivo. Notatahan’ireo mpanao ratsy moa ilay labasy dia nalatsany moramora ny entana, paikady izay efa tena matihanina tokoa raha ny fanazavan’ny tarika. Tsy misy tohatra hahafahana miakatra anefa ilay fiara, fanontaniana izay mbola tena tsy nahitan’ny maro valiny. Mampitandrina ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faharoa izy ireo noho izany mba samy ho mailo sy hitandrina tsara.
Pati
Legende : Resin’ny torimaso tahaka izao avokoa ny rehetra hany ka tsy nahita na nahare na inona na inona teny an-dalana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT