Fandriampahalemana

Taratasy misokatra Misy andiana miaramila nanao tsikera mavaivay?


  • Alakamisy 13 Janoary 2022

Namoaka taratasy misokatra in-taona ny andiana miaramila am-perin’asa sy misotro ronono, ka isan’izany ny « Evaluation de la défense de Madagascar 2021”.

 Naneho fiondrehana eo anatrehan’ireo lavo izy ireo. Manoloana ny asa vitan’ny Gouvernementa nandritra ny taona 2021, indrindra ho an’ny Minisiteran’ny fiarovana, dia nokianin’izy ireo mafy ho “Restructuration nulle et non opérationnelle” no nisy teto, tsy nanaraka dingana na “procédure” fa dika mitovy amin’ny tany France kanefa ny “Principe de défense”, dia tokony hiainga amin’ny fakan-kevitra nasionaly mivelatra ahafahana mijery ny olan’ny fiarovana eto amin’ny firenena na “contexte de la défense et sécurité à Madagascar et ses environnements”, fijerenany politikam-panjakana,… ambana ny filaminana sy fandriampahalemena (menaces à la Paix et sécurité), hoy io taratasy misokatra io. Noho ireo dia tokony hoeken’ny malagasy rehetra ireo ambana ireo, ka akatoavin’ny parlemanta sy ny Filankevitry ny minisitra amin’ny alalan’ny « Livre blanc », izay vao makany amin’ny departemanta voakasika momba ny fiarovana, ka ny “concept de défense” no anjaran’ny Minisiteran’ny fiarovana amin’izany, izay vao mijery ny fomba fanatanterahana, ahafahana mametraka sy manatateraka ny tanjona. Anisan’izany ny : « Restructuration », resaka « niveau opératif », na « concentration » na « déconcentration d’efforts et de moyens humains, financiers, matériels, infrastructures et surtout de l’organisation générale de la défense », hoy io hatrany io fanambarana io. Vokany, tsy misy « planification » ny asa 2021, manao asa an-tselika, (pilotage à vue), manao asan’ny « pompier », ohatran’ny « opération » tany Menabe ny Tafika, tsy foana ny asan-dahalo, tsy nilamina ny tany, nikorontana (désorganisation généralisée) ny tafika, raha toa ka tsy voakitika ny teo anivon’ny zandarimaria,… hoy ny ampahan’ny fanambarana.

RESAKA FIBAIKOANA
“Fisaraham-bazana atahorana hiteraka korotana no misy eo anivon’nyTafika. Lesona tsara tadidiana, fa ny tafika no nanao ny « évènement Capsat » tamin’ny 2009, fa tsy ny zandarimaria akory. Noho izany mila jerena akaiky ny firaisan-kina Tompoko. Amin’izao io no ministra (MDN) no nitana ny « longévité » ela indrindra amin’ny MDN teto Madagasikara. Ny MDN dia andiany faha-13 na « La 13 »; efa tsisy intsony ny « La 13 » am-perinasa; tsisy intsony ny « La 14 »; efa tsy hisy intsony ihany koa ny « La 15 » eo am-perinasa amin’ny taona2023. Mbola maro anefa ireo “La 16” sy “La 17” efa manam-pahaizana sy manam-panahy. Am-pitiavana be Tompoko, mbola tsy tara raha ahintsy izay azo ahintsy”, hoy io fanambarana io. Andrasana kosa izay mety ho setriny avy amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena satria resaka saropady ity raharaha ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT