TAPITRA NY COI

Miverina amin’ny heriny ny tsy fandriampahalemana eto Iarivo


  • Talata 29 Aprily 2025

Vaky trano teny Ivandry, vaky trano tetsy Tsiadana Lehilahy iray 33 taona

no voasambotry ny Polisin’ny CSP8 Analamahitsy omaly Alatsinainy 28 Aprily vao maraimbe teny Ivandry. Mbola tratra amin’ny trano izay novakiany ilay jiolahy ary teo am-pibatana ireo vilany saika hangalariny izy no voasambotra. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy nanaovana fanadihadiana. Mpamaky trano iray hafa ihany koa voasambotry ny Polisin’ny FIP teny Tsiadana afak’omaly Alahady 27 Aprily alina. Nentina teny amin’ny biraon’ny Kaomisarian’Ambohijatovo ity mpangalatra ity nanaovana fanadihadiana. Tsiahivina moa fa vao tapitra mihitsy ilay fihaonana an-tampon’ny vondron’ny COI andiany fahadimy natao teto Madagasikara dia niverina amin’ny laoniny indray ny fiainan-dRamalagasy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo mpamaky trano roalahy tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT