TAO ANATIN’NY EFA-BOLANA

Zaza varira 17 no nisy naka, 9 namoy ny ainy


  • Alakamisy 24 Oktobra 2024

Zaza varira miisa 17 no fantatra indray fa nisy naka an-keriny teto amintsika nanomboka ny volana May

lasa teo ka hatramin’ny volana Aogositra taona 2024. Ny 9 tamin’ireo raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Albinos Madagascar Ramiandrisoa Fulgence dia namoy ny ainy avokoa. Tsy mety tony vokatr’izany fa mbola miaina tanteraka anatin’ny tebiteby sy ny ahiahihy hatrany ireo olona varira. Ankoatra izay hoy Atoa Fulgence dia mbola tafapetraka eto amintsika ary tsy mety foana ny foto-pisainana sy finoanoam-poana momba ny olona manana toe-tena varira fa misy vatosoa ao anatin’ny mason’izy ireny izay mampanan-karena haingana. Tsy marina velively anefa izany hoy izy. Tsiahivina moa fa efa mahatratra 70 amin’izao ireo ankizy varira tezaina ao amin’ny Centre iray ao Farafangana ao amin’izao fotoana izao miampy ireo noraisin’ny borogadin’ny zandarimariam-pirenena an-tanana. Mikasika ireo zaza varira miisa 60 tezaina ao amin’ny Sekolin’ny jamba ao Farafangana moa dia fantatra fa kasain’ny tompon’andraikitra averina eny anivon’ny fiaraha-monina izy ireo noho tsy fahampian’ny sakafo omena azy ireo intsony. Miantso ny Fitondram-panjakana araka izany ny filohan’ny Fikambanana Albinos Madagascar mba hijery akaiky ny mikasika izany.

Anisan’ny tranga vao ela ny nakan’ny dahaloan’ i Zafindrafaly, zaza varira 08 taona ny sabotsy 12 Oktobra 2024 lasa teo tao Mahitsy fokontany Fotsivavo Lohafary distrikan'i Vangaindrano. Ny Alatsinainy 21 oktobra tamin’ny 09 alina no nalefa tany Anilobe, Vohitrambo ny zandary 15 notarihin'ny Cdt Cie nanao velapandrika hanavotana ilay varira sy hisambotra ny dahalo. Avotra ilay zaza nalaina an-keriny saika hamidy. Dahalo miisa 02 no lavo nandritra ny fifandonana. Olona 06 no voasambotra ka 04 dahalo nanafika, ny 02 vehivavy niray tsikombakomba nanafina ilay zaza sady vadin'ireto dahalo ireto. Tratra tamin’izany ihany koa ny basy vita gasy miisa 02 sy mohara.
Pati
Legende : Izy no Ramiandrisoa Fulgence, filohan’ny Fikambanana Albinos Madagascar!

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT