Tsy mandry fahalemana intsony ny ao Toamasina ao. Mirongatra ny fanafihan-jiolahy
amin’ny endriny maro samihafa. Raim-pianakaviana iray avy any Ambodirafia Sahambala handeha hividy entana tao Toamasina omaly no notafihina jiolahy nitam-basy ka lasan’ireo mpanao ratsy tamin’izany ny vola mitentina 4 tapitrisa Ar. Raha araka ny fantatra dia naka tuc tuc hamonjy fodiana any amin’ny fianakaviana mipetraka ao amin’ny faritra Balance Tanandava ity lehilahy ity, rehefa tonga teo amin’ny tobim-piantsonana. Jiolahy 2 avy hatrany nandeha moto RS nanao taingin-droa anefa no nanaraka azy avy aoriana . Efa mahina ihany ilay Raim-pianakaviana na izany aza. Izy irery mantsy no tao anatin'ilay tuc tuc .Somary nisy fitohanana kely anefa nandritra izany ka nisongona ilay tuc tuc ilay moto RS ary nanakana ilay tuc tuc no sady nilaza izy ireo fa handeha any Tanandava .Nitsivalana teo alohan’ilay tuc tuc mihitsy ilay moto RS ary namoaka basy avy hatrany ireo jiolahy no sady nitifitra ny tongotr’ilay Raim-pianakaviana no sady nidaroka ny lohany ihany koa. Lasa nitsoaka ireo jiolahy taorian’izany niaraka tamin’ny moto sy ilay tuc tuc. Mbola tavela tany anatin’io tuc tuc io anefa ny entan’ity Raim-pianakaviana ity hoy hatrany ny vaovao.
Pati
Legende : Hataon’ny jiolahy mifampitady mihitsy ny moto sy ny tuc tuc amin’izao ao Toamasina ao !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.