TANANDAVA MAHABO

Zazalahy tsy manan-tsiny maty notifirin’ny mpitandro ny filaminana


  • Zoma 22 Desambra 2023

Zazalahy kely iray vao 10 taona monja raha misy i Freddy kely,

kilasy fahaefatra mpianatry ny EPP ao Tanandava, distrikan’i Mahabo. Maty notifirin’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny faritra misy azy izy afak’omaly Alarobia 20 Desambra tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany alina raha araka ny fitarainan’ireo fianakaviany. Raha araka ny vaovao azo dia nitady ny Rain’i Freddy kely hono ireo mpitandro ny filaminana ireo. Rehefa tsy nahita itsy voalohany anefa izy ireo dia ilay zaza tsy manan-tsiny no norarafany raha iny mbola niomana tsara ny handeha hampandre an-dReniny iny ilay zaza. Tsy tana vokatr’izany ny ainy na dia efa nialana nenina farany ihany aza. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia anisan’ny nanatri-maso izao fitifirana ny zafikeliny izao ny dadaben’i Freddy. Nambarany fa nitsoaka avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana rehefa namoy ny ainy ilay zaza koa hanaovany antso avo amin’ny tompon’andraiki-panjakana rehetra mba hijery akaiky izao raharaha izao. Nambaran’ny dadaben’i Freddy fa tahaka izano hatrany no mahazo ireo mponina any ambanivohitra amin’ny ankapobeny. Ireo antenaina mba hiaro indray no mamono. Marihina moa fa zazalahy kely tsy dia be teniteny i Freddy fony fahavelony na tany an-tsekoly izany na teny anivon’ny fiaraha-monina.
Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy manan-tsiny maty voatifitra tao Tananandava !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT