Fandriampahalemana

Tanàna voalaza fa fieren-jiolahy Nodoran’ny zandary, may hatramin’ny sekoly,…


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Tanàna voalaza ho fieren'ny mpaka an-keriny no voalaza fa nodoran’ny zandary tany Antsahabe Kaominana Marotsopoy, distrikan’Anjozorobe ny talata 18 oktobra 2022 lasa teo.

Ny Kaompania sy ny CSAO Andriamena no voatonontonona ho nanao ny fandoroana, saingy andrasana izay mety ho fanazavana na fandisoana avy amin’ny mpitandro ny filaminana. “Voalaza ho fieren'ireo olon-dratsy mpaka an-keriny io ny tanàna, kanefa ny zava-doza, dia may niaraka tao hatramin’ny sekoly izay nijoro ara-panjakana. Ho aiza ny mpianatra sy ny mpampianatra ?", hoy ny mpanabe. Somary hafahafa ity toe-javatra ity ary mampametra-panontaniana hoe: tena ny zandary tokoa ve no nanao fandorana? Tsy nisy vahaolana azo noraisina afatsy ny fandoroana tanàna tokoa ve? Mampahatsiahy ny raharaha fandoran’ny mpitandro filaminana ny tananan’Antsakabary tany amin’ny fiandohan’ny taona 2017 izay tsy nisy tohiny intsony mandrak’ankehitriny ity raharaha ity.

Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT