TANAMBAO VERRERIE TOAMASINA

Jiolahy mpampihorohoro iray maty voatifitry ny Polisy


  • Alarobia 08 Aprily 2026

Jiolahy iray mpampihorohoro ny

mponina tao Toamasîna no fantatra fa maty voatifitry ny Polisim-pirenena tao Toamasîna omaly Talata 07 Aprily.Nihevitra ity jiolahy ity hoy ny vaovao fa mbola reraky ny fetin’ny Alatsinain’ny Paska ny olona tao an-tanàna ka mora taminy no handeha handroba. Indrisy anefa fa raha iny nihanika tambohona tokan-trano iray tao TANAMBAO II Toamasina izy omaly vao maraimbe dia tsikaritry ny tompon-trano ka niantso vonjy ireto farany. Tonga teny an-toerana haingana ny Polisy ao amin'ny Unité d'intervention Rapide (UIR) nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ka niditra an-tsehatra avy hatrany. Nandritra ny fisamborana azy anefa dia naneho herisetra mafy ity lehilahy ity ary naka an-keriny ny basy teny amin’ny Polisy iray. Voatery niaro ny namany ny Polisy teo ary nitifitra ka maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy ity jiolahy ity. Araka ny fantatra dia efa matetika no manao fandrahonana sy manimba fananan’olon-tsotra eo an-tanàna ity lehilahy ity. Tapitra hatreo izany ny horohoro sy fijaliana ara-tsaina apianjadiany ireo mponina ao Tanambao Verrerie Toamasina.
Pati
Légende : Ilay jiolahy maty voatifitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT