Tanambao Toliara

Telolahy saika hanendaka zandary voasambotra


  • Alatsinainy 15 Janoary 2024

Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra araka ilay fomba fiteny

no azo hamintinana ny nahazo ireo mpanendaka tany Tanambao Toliara. Zandary miisa 2 avy namita iraka tany Ampanihy/Ouest no nokasain'ireto mpanendaka ireto ho endahina toy ny fanaony ny marainan'ny 13 janoary tamin'ny 1ora sasany teo amin'ny sampanan-dalana Tanambao, hoy ny tatitra. Voalaza fa namoaka antsy lava lela sy hazo ireto mpanendaka 3 lahy ireto ary nanakana ireo mpitandro ny filaminana kanefa izao voasambotr'izy ireo izao. Ankoatra ity asa fanendahana tsy tanteraka nokasain'ireto jiolahy ireto ity, dia mbola nanendaka lehilahy iray izy ireo tokony ho tamin'ny 12 ora Alina teo amin'ny lapan'ny tanàna ka vola 700.000 ariary no lasan'izy ireo tamin'izany. Tsy afa-po tamin’iny, kinanjo sendra ny nahay azy.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT