TANAMBAO MAINTIRANO

Jiolahy 2 rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Jiolahy roa no lavon'ny balan'ny Polisy sy zandary ary miaramila izay mikambana ao amin'ny FDS ny alin'ny Alarobia

23 Aogositra teo tao amin'ny fokontany Tanambao SPM, kaominina Maintirano raha azo sambo-belona kosa ny iray. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nitrangana fanafihana mitam-padiana tao amin’io Fokontany io tamin’ny 18 Aogositra teo. Nanokatra fanadihadiana ny FDS ka fantatra tamin'ny izany fa avy eo amin'ny Campement Andranonakanga kaominina Mafaijijo, distrikan'i Maintirano ireo jiolahy nanao fanafihana ireo ary mbola nikasa hanao fanahifana amin'ny Fokontany Tanambao SPM ihany tamin’io andro nahavoatifitra azy io. Nametraka ny paikady ny FDS noho izany ka nifanehitra tamin'ireto FDS ireto tokoa ireo jiolahy tokony ho tamin'ny 11 ora alina sy 40 minitra. Nitifitra avy hatrany ireo jiolahy raha vao nahita ny FDS ka dia voatery namaly tifitra koa izy ireto farany. Vokany, jiolahy roa no maty raha ny iray azo sambo-belona ary nisy namany hafa nandositra. Noentina teny amin'ny biraon'ny Polisy tao Maintirano ity jiolahy voasambotra ity mba hoatao famotorana. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany nandositra.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT