TANAMBAO 5 TOAMASINA

Vehivavy tratra namaky trano tamin’ny andro atoandro


  • Alarobia 12 Martsa 2025

Efa tena mian-dahy miam-bavy mihitsy ireo jiolahy ao Toamasina.

Vehivavy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no tratra namaky trano tamin’ny andro atoandro tao Tanambao 5 parcelle 13/82 omaly Talata 11 Martsa. Efa tafiditra tao an-trano nisavasava armoire izy no hita. Nahitana tournevis ihany koa tao anatin’ny sakaosy nentiny. Taorian’ny nahatrarana azy moa dia ity vehivavy ity mihitsy no niangavy ny mba hiantsoana polisy haka azy ho famaizana azy tamin’ny tsy nety nataony. Tombanana ho olona efa tratry ny famoizam-po na koa mety efa nifonja ary mbola maniry hiverina any amin’ireo ity vehivavy ity. Marobe amin’ireny voafonja ireny mantsy na lahy na vavy no tsy tamana eny anivon’ny fiaraha-monina intsony vokatry ny fanilihana mahazo azy ka aleony ihany miverina matetika any am-ponja.
Pati
Legende : Ity ilay Renim-pianakaviana mpamaky trano vonona hanefa ny saziny tsy amim-pisalasalana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT