Tampanjotra mpangalatra moto

Saron’ny zandary, mampiasa « facture vierge »


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Hozarainay avy amin'ny alalan'ity vokatra azon'ny borigady Ambohimangakely ity

ny fomba fiasan'ireo mpangalatra kodiaran-droa na moto mba ahafahanao mahita sy mahalala ary misoroka sahady ny fahaverezana moto, hoy ny fampitam-baovaon’ny borigadin’ny zandarimaria Ambohimangakely ny sabotsy teo. Omenay ihany koa izao vaovao izao mba ahafahanareo manome "renseignements" na fampitam-baovao anay raha vao mahita tranga ianareo, hoy ny fanazavana. Nisy olona very moto ny 4 aogositra 2023 teo. Ny 24 martsa teo dia hitany teny amin'olona io moto io ka niantso zandary dia ny borigady Ambohimangakely izy. Nosavaina, tsy anay io fa an'ny bandy akama, hoy ilay olona. Nantsoina ilay hoe "bandy akama". Novidiako tamin'olona tany Imerinafovoany io, hoy io. Nantsoina indray ity farany ka nanome ny mombamomba ilay olona nahazoany moto izay misy lazam-bidy na «facture» kanefa moto halatra. Nosamborina ary nilaza ny olona fividianana "lazam-bidy fotsy" na «facture vierge» an'ny magazay fivarotana moto iray. Lazam-bidy efa misy fitomboka hoe «Payé - Livré». Mpanao taxi-moto no very moto ny 4 aogositra 2024 rehefa voambana sabatra teny Ambatomaro. Lasa ny moto. Alohan'ny hangalarana moto dia efa mividy "facture vierge". Efa misy olona fividianana izay voasambotra ary nahatrarana taratasy hosoka miisa 4 tao aminy. Rehefa avy mangalatra dia nifindra trano. Amidy ny moto misy «facture». Mividy «facture vierge» indray dia miomana hanao «opération» manaraka. Moto miisa 4 no giazan'ny borigady Ambohimangakely mitady ny tena tompony ara-dalana. Tovolahy matanjaka sady bogosy no marani-tsaina miisa 6 no voarohirohy mpanao sy mampiasa «facture vierge». Ny iray mpivarotra «facture vierge». Iray voarohirohy ho nangalatra sy nivarotra moto halatra ary nanome «facture vierge», hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT