Fandriampahalemana

Tambajotrana mpangarom-paosy Voasambotra ireo vehivavy mpanafim-bola anaty kitapo-nono


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2019

Niakatra fampanoavana ny faran’ny herinandro teo ireo vehivavy roa tratra nangarom-paosy ny zoma teo, tany Arivonimamo.

 

 

 Nosavain’ny vahoaka teo an-tsena ny iray ka rehefa naboridan’ny olona ny tapany amboniny dia hita ao anaty kitapo-nono na “soutien-gorge” ilay vola 15 000 ariary an’ilay rangahy. Rangahy lehibe iray niantsena tany an-toerana no nangaronin’ity vehivavy 26 taona ny paosiny ka nisy nahita ny fihetsiny. Avy hatrany dia nosamborin’ilay olona ity vehivavy ity ary nasainy namerina ny volan’ilay rangahy. Nisava paosy ilay rangahy ary efa tsy tao ny volany 15 000 ariary. Naterin’ireo fokonolona teny amin’ny biraon’ ny polisy ilay vehivavy nanaovana famotorana avy eo. Fantatra tamin’izany fa tsy izy irery no manao izao asa ratsy izao fa misy namana ihany koa izy. Tsy niandry ela fa tra-tehaky ny polisy manao fanamiana sivily teny an-tsena ihany koa ity vehivavy namany izay 25 taona tokony ho tamin’ny 12

ora. Niaiky ny helony avokoa izy roa vavy. Marihina fa efa maty paika ny tetiandro fidinan’ireo mpangarom-paosy mihazo ireo tsena any ambanivohitra.

 

Haja Nirina

 

Samy niaiky fa mpangarom-paosy izy roa vavy ireto nandritra ny famotorana tany Arivonimamo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT