TAMBAJOTRAN-JIOLAHY

Ravan’ ny zandary ry Rafela


  • Alarobia 25 Septambra 2024

Ela ny ela fa ravan’ny zandary ihany ny tambajotran-dRafela, jiolahy Rain-dahiny mpampijaly vahoaka ao Ampanotokana.

Efa roa volana izay no nampitondrainy faisana ireto farany. Raha tsiahivina kely dia nahazoana fitarainana sy fitoriana maro ity tambajotran-dRafela ity saingy izao vao nifanehatra tamin’ny zandary.Fianakaviana iray tao Ampanotokana indray no nipenimpenina afak’omaly 23 septambra fa lasan’ny mpamaky trano avokoa ireo fitaovana ilaina amin’ny fambolena , ny biby fiompy ary ny fitaovam-pitaterana toy ny bisikikelta …. Taorian’ny fitoriana voarain’ny zandary dia natao ny fizahana ny tranga sy ny fanadihadiana. Voasambotra taorian’izany ny lehilahy voalohany niaraka tamin’ireo ampahan’entana very. Nanondro ny namany ity farany taorian’izany ary mbola tratra ihany koa ireo entana halatra tany aminy. Tsy nijanona teo fa mbola nisy lehilahy iray fanin-telony, izay atidohan’ity famakiana trano ety Ampanotokana sy ny manodidina ity, notondroin’ny namany ihany dia i Rafela izany. Nikasa hamely sy hanohitra ireo zandary izy nandritra ny fisamborana ka voatifitra ary lavo tsy afaka hanohy ny asa ratsiny intsony.
Pati
Legende : Tapitra ny 99 andron-dRafela tety an-tany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT