Fandriampahalemana

Tambajotran-jiolahy ikoizana Sarona niaraka tamin’ny rongony sy basy ary bala


  • Talata 20 Oktobra 2020

Tratra nandritra ny hetsika nataon'ny Tobim-paritry ny zandarimaria Imerintsiatosika ny tambazotran-jiolahy iray ahitàna jiolahy ikoizana miisa folo (10) ao amin'ny kaominina Imerintsiatosika, ny 17 oktobra 2020.

Manoloana ny horohoro, vakitrano sy fanafihana mitam-piadiana, iainan'ny mponina amin'iny kaominina iny no antony nanaovana ny hetsika manokana fampandrian-tany, hoy ny zandarimaria. Tratra tamin'izany ireo entana halatra isan-karazany, sarona tao amin'ny trano fieren'izy ihany koa ny rongony voafono 3 kg, ireo fitaovana, toy ny basy poleta vita gasy iray miaraka amin'ny bala miisa 09 miampy “chargeurs” 02, ary “barre à pince” sy antsy lava fampiasan'izy ireo. Ny roa amin'ireo jiolahy ireo moa dia fantatra fa mpamatsy bala mihitsy. Velom-bolo ireo vahoaka ao an-toerana eo anatrehan’ny vokatra tahaka izao, fa manomboka milamina tanteraka ny tanàna.

\Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT