TAMBAJOTRAN-JIOLAHY

11 mianadahy tratra teto Antananarivo


  • Alarobia 12 Febroary 2025

Ravan’ny Polisim-pirenena ny andian-jiolahy nandravarava teto an-drenivohitra sy ny

manodidina nandritra ny volana Janoary lasa teo. Lehilahy miisa 9 sy vehivavy miisa 2 izy ireo, nandray anjara tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana niseho teny Alasora, Analakely, Ampasamadinika sy tamin’ny toerana hafa teto an-drenivohitra. Tratra nandritra ny fisamborana azy ireo ny moto miisa 4 miaraka amin’ny aro loha sy fanamiana fanaovan’izy ireo rehefa manao ny asa fanafihana niampy lela-vola manodidina ny 3 tapitrisa Ar, basy vita gasy iray niaraka tamin’ny bala, ary ody gasy. Fantatra ihany koa fa misy mpitondra taxi moto miray tsikombakomba amin'ireto andian-jiolahy ireto. Mbola misy naman'izy ireo hafa karohina noho izany.
Pati
Legende : Ireto izy 11 mianadahy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT