Fandriampahalemana

Talen-tsekoly voatifitry ny dahalo Tavela ao amin’ny tendany ny bala


  • Alarobia 13 Desambra 2017

Naratra mafy vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo azy ny 15 novambra, tokony ho tamin’ny 8 ora alina Randriamanampisoa Olivier, talen’ny EPP Mandrosoarivo, ZAP Kiranomena ao amin’io kaominina io ihany, ary ao anatin’ny DREN Fenoarivobe.

 

 Raha tsiahivina, naheno feo hafahafa sy nikapokapoka tany ivelany ny fianakaviana tao an-trano, ka nitazana izay zava-niseho tamin’ny alalan’ny “lampe de poche” teo am-baravarankely. Vao nahita izany ireo olon-dratsy, dia nitifitra avy hatrany, ka voa teo amin’ny tanany sy ny tendany ity raim-pianakaviana ity. Lasan’ireo dahalo ny omby miisa 6 avy eo. Nifamonjena avy hatrany izy, ka nolanjaina nihazo ny renivohitry ny kaominina Kiranomena. Tsy vita tao an-toerana anefa ny fitsaboana ka nakarina tao amin’ny hopitalin’i Tsiroanomandidy. Mba hahamora kokoa ny fanaraha-maso ny fahasalamany, dia nentina aty an-drenivohitra ary manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly Loteranina eny Ambohibao ny tenany. Hatramin’izao, dia mbola misy bala tavela ao amin’ny tendany. Rehefa natao ny fizahana, dia misy fahatapahana ihany koa ao amin’ny tanany. Voatery miato amin’ny asa izy. Tsy milamina ny fandriampahalemana, any amin’ny faritra Bongolava iny. Toe-javatra iray tsy mahatamana ireo mpila ravinahitra na mpiasam-panjakana any an-toerana sy amina faritra maro, toy ny any Atsimon’ny Nosy ny toe-javatra tahaka izao. Ankoatra ny fahaverezan’ny fananana, dia mety hanefa hatramin’ny aina ka maro ny mpiasam-panjakana tsy mety mankany amin’ireny toerana ireny, ary misy mihitsy no mahavita manao kolikoly hisorohana ny famindran-toerana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT