TALE JENERALIN'NY POLISIM-PIRENENA

« Tsy te-hahita Polisy mijangajanga sy manao kolikoly intsony ! »


  • Zoma 07 Novambra 2025

Hanova zavatra maro eo amin'ny asa

sahanin'ny polisim-pirenena sy ny fitondran-tenan'izy ireny ny tale jeneralin'ny Polisim-pirenena vaovao Tsaramonina Ravony Jean Victor. Nitafa tamin'ny mpanao gazety ny tenany omaly ka nambarany tamin'izany fa tsy mila polisy mijangajanga sy manao kolikoly intsony izy. Rehefa tsy manao kolikoly mantsy hoy izy dia hampiakarin'ny tompon'andraikitra ny karama no sady manara-dalana. Rehefa tsy mijangajanga ihany koa dia mba tsy mihena ny vola miditra any amin'ny vady aman-janaka. Mila polisim-pirenena manao fanatanjahantena koa aho hoy izy, manompo an'Andriamanitra no sady manompo vahoaka. Nanentana ny rehetra mba tsy hanao kolikoly ny tenany araka izany. Miara-voasazy mantsy hoy izy ny mpanome sy ny mpandray fa tsy ny Polisim-pirenena irery ihany. Mikasika ny police de la route manokana na ny PR dia nomarihiny manokana fa tsy foana akory izy ireny fa manohy ny asa hatrany. Manentana sy mampianatra ny olona mba hanara-dalana araka izany no hataony amin'izao fiandohany izao na dia misy aza ireo manao ny tsy mety. Raha miverimberina kosa anefa izany dia miditra amin'ny fanasaziana amin'izay izy ireo. Aoka tsy hiandry savaina hoy izy vao hanara-dalana.
Pati
Légende : Tsaramonina Ravony Jean Victor, tale jeneralin'ny polisim-pirenena vaovao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT