Talatan’Angavo Ankazobe

Votsotra ireo 3 mianaka natao takalon’aina


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Votsotra soa aman-tsara teo ampelatanan'ny dahalo ny sabotsy 27 janoary

tamin'ny 06ora hariva tany avaratr'i Tsaramasoandro kely, fokontany Manerinerina, kaominina ambanivohitr'i Ambolotarakely distrika Ankazobe ireo vehivavy 3 mianaka nataona dahalo takalon'aina nandritra ny fanafihana nitranga tao Antanetibe, fokontany Androva Atsimo, kaominina ambanivohitra Talatan’Angavo distrikan' Ankazobe ny alin'ny 23 janoary teo. Tsara ny mampahatsiahy, fa ankoatra ny fakana an-keriny ireo olona 3 mianaka dia raim-pianankaviana iray ihany koa no maty voatifitra nandritra io fanafihana io. Nahery vaika ny hetsika sy paikady nataon'ireo Zandary sy Tafika mampandry, ka nahavotsotra azy ireo, raha ny tatitra nentin’ny Zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny CIRGN Antananarivo. Nomarihina fa efa misy vokatra azon'ireo Zandary mampandry tany sady manao famotorana any amin'iny faritra iny ary mbola mitohy ny hetsika famongorana ny asan-dahalo ao anatin'ireo faritra mifanefitra Analamanga sy Betsiboka ary Alaotra Mangoro. Vao maika hihamafy manomboka izao ny fiarovana sy fampandriana fahalemana amin'ireo faritra telo mifanefitra voatanisa, raha ny fanamarihana. Ny fifanakalozam-baovao marim-pototra sy haingana amin'ireo Mpitandro filaminana no ahafahantsika mandray fepetra ara-potoana hamongorana ireo ratsy, hoy ny fanentanana. Nomarihina hatrany fa atao tsiambaratelo sy arovana fatratra ny mombamomba ireo Loharanom-baovao, ka entanina izay manam-baovao mahakasika iny raharaha iny tsy hatahotra fa azo itokiana ny Zandarimaria nalefa any an-toerana, hoy hatrany ny CIRGN Analamanga.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT