Talatakely, Ambatolampy

Tovolahy 4 tratra nangalatra entan’ny skoto


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

Tratra nangalatra entan’ny skoto milasy tany Talatakely, fokontany Fihaonana,

Ambatolampy ny tovolahy miisa 4, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny alin'ny 1 jolay dia tsikaritra fa nisy nandrovitra tamin'ny «lame» ny "tente" na trano hoditra fatoriana miisa 4 ka betsaka ireo zavatra very, hoy ny fanazavana. Ny maraina ihany dia sarona avokoa ireo tovolahy nanao ny halatra ireo, izay avy eo Talatakely ihany. Mbola tratra teny amin'izy ireo avokoa ireo entana nangalariny toy ny finday «Redmi Note 8 Pro», «sac à dos» na kitapo babena, fanamiana skoto, kiraro, lamba firakotra, «tente», kara-panondro, vary sy laoka, vola 3 alina sy 3 hetsy Ariary izay tsy hita intsony no niafarany, ny «portefeuilles» na poketra fampirimam-bola sy ny maro samihafa. Tazonina atao famotorana izy ireo ary atolotra ny fitsarana, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT