Talata Volonondry

Lehilahy iray tratra niaraka tamin’ny omby iray manontolo efa voatetika


  • Alatsinainy 25 Novambra 2024

Lasa lalan’ireo mpangalatr’omby ny ao Talata Volonondry, distrikan’Avaradrano amin’izao.

Nanamafy ny fisafoana araka izany ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana ka lehilahy iray ny 22 novambra 2024 teo no tratra niaraka tamin’ny omby efa voatetika iray manontolo tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. Tao amin’ny kaominina Ambohibao, distrikan’i Manjakandriana no nahatrarana azy io. Fantatra nandritra ny famotorana natao fa omby vavy reniny nangalarina avy any Amboavahy, Fokontany Analamanjaka, Kaominina Ambohitrolomahitsy ity efa novonoina ity. Tsy nety nilaza ny namany niara-nanao ny halatra omby taminy hatramin'ny farany kosa ilay ranamana fa nilaza ho iraka fotsiny ka naleony nigadra eny Antanimora. Ny hany nambarany dia ny saika hanaterany ny hena teny Andravoahangy.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

Hijery ny tohiny
FTT