Fandriampahalemana

Talata Miandrandra Arivonimamo Tokantrano iray voatafika, 5 naratra, nanjavona ny 3 tapitrisa Ar


  • Talata 18 Aprily 2023

Mahazo vahana tanteraka ny fanafihan-jiolahy any amin’iny faritra andrefana iny. Voakasik’izany manokana ny ao amin’ny distrikan’Arivonimamo.

Tokantrano iray tao amin'ny Fokontany Anorana Ankadivavala, kaominina ambanivohitra Talata Miandrandra, distrikan'Arivonimamo ny alin'ny alahady 16 aprily teo tokony ho tamin'ny 10 ora sy 45 minitra no nisy nanafika. Dahalo tsy latsaky ny 10 lahy nirongo fitaovam-piadina mahery vaika no indray nanao ny asa ratsiny nandritra izany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nafatotr'izy ireo avokoa ny mpiambina ny tanana. Notereny namoaka ny vola rehetra tao an-trano ny tompon-trano taorian’izany rehefa tafiditra izy ireo. Nisy tamin’ireo farany no nokapohina tamin’ny vodibasy ny 3 raha voatifitra kosa ny olona 2 nandritra ny fanerena natao azy. Mbola nisy tamin’izy ireo mantsy no niezaka ny nanafina ilay vola. Na izany aza lasan’ireo tsy mataho-tody ihany ny lelavola 3 tapitrisa Ariary. Efa naiditra etsy amin’ny hopitaly HJRA moa ireo naratra manaraka ny fitsaboana sahaza azy.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT