Tafika malagasy

Nahazo fiaramanidina LET-410


  • Talata 10 Febroary 2026

Nahazo fiaramanidina LET-410 vaovao

ny Tafika malagasy, raha ny fampitàm-baovao voaray. Tonga omaly ity fiaramanidina ity. Ity fitaovam-pitaterana ana habakabaka ity dia natao hanamafisana ny fahaizan’ny tafika amin’ny lafiny fitaterana, fanaraha-maso ary fandraisana andraikitra haingana manerana ny nosy manoloana ireo ambana mety hisy, hoy ny filohan’ny fanavaozana. Tafiditra ao anatin’ny paikady fanavaozana sy fanatsaràna ny fitaovan’ny hery fiarovana nasionaly ity fahazoana izany ity, raha ny fanazavana. Ho fanohanana ny asa fiarovana ny vahoaka sy ny fanjakàna ary ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izany, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT