Fandriampahalemana

Tafika Malagasy Manomana fanazaran-tena iraisam-pirenena


  • Talata 25 Aprily 2023

Ho fampiharana ny fanitsian-drafitra dia miomana amin'ny fanazarantena iraisam-pirenena Ivondro 2023 ho

tanterahina any amin'ny Faritra Atsinanana amin'ny faramparan'ny volana Aprily izao ny Tafika an-Tanety, araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena omaly 24 aprily 2023. Araka ny toromarika nomen'ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly Sahivelo Monja Delphin, dia nandray ireo miaramila hiantsehatra amin'ity hetsika fanazarantena ity ny Jeneraly Rakotoson Jocelyn, sous CEM Emploi EMAT ny Alatsinainy io omaly io, ka nivoitra tamin’izany ny fanomanana ny miaramila sy ny fitaovana izay mety ilaina amin'ny fanazaran-tena izay ho tanterahina sy ny fampitana ny baiko sy ny lamina avy any amin'ny foibe fibaikoana ny hetsika (COIA EMA). Nomarihina fa raha ny fanitsian-drafitra dia andraikitry ny Tafika an-Tanety rantsana "chaînes organiques" eo ambany fiahian'ny Jeneraly Rakotoson Jocelyn ny fanofanana ny miaramila, ny fanomanana sy fikojakojana ny fitaovana ho entina manatanteraka ny hetsika.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT