Tafika an-dranomasina Amerikanina

Mandalo eto ny tonia mpanatanteraka miasa any Eoropa sy Afrika


  • Talata 13 Febroary 2024

Manatrika ny atrikasa momba ny vehivavy sy ny filaminana ary ny fandriampahalemana

ny tompon’andraikitry ny tafika an-dranomasina Amerikanina, araka ny fampahafantarana nataon’ny Masoivoho Amerikanina eto. "Nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fampandraisana anjara ny vehivavy amin'ny sehatra rehetra momba ny filaminana sy fandriampahalemana ity atrikasa androany ity", hoy ny Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo raha nanokatra tamin'ny fomba ofisialy niaraka tamin'ny Tonia Mpanatanteraky ny tafika an-dranomasina Amerikanina miasa any Eoropa sy aty Afrika Juliet Beyler ity atrikasa rezionaly voalohany momba “Ny vehivavy sy ny filaminana ary ny fandriampahalemana” ity. Mialohan'ny fanazaran-tena an-dranomasina isam-paritra lehibe indrindra tarihin'i Etazonia Cutlass Express amin'ity taona ity, dia tonga niara-nidinika teto ny fanomezana sehatra ny miralenta sy ny fampandraisana anjara feno ny vehivavy amin'ny sehatry ny filaminana an-dranomasina ireo mpandray anjara avy eto Madagasikara, Mozambika, Seychelles, Somalia, ary Oganda, hoy ny fampitam-baovao. Amin'izao fandalovany eto Madagasikara izao, dia hihaona sy hidinika amin’ireo tompon’andraikitra Malagasy voakasiky ny filaminana an-dranomasina ihany koa Rtoa Beyler. Nambara fa mampiseho ny fifandraisana an-dranomasina matanjaka sy maharitra eo amin'i Etazonia sy Madagasikara ary manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny fiarovana an-dranomasona izao fitsidihana izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT