Sylvain Rabetsaroana

Hatolotra ny Fitsarana anio !


  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Loharanom-baovao azo antoka no

nahazoana omaly fa mbola notazonina eny anivon’ny Borigady misahana ny heloka bevava na ny BC Anosy ny loholona teo aloha Sylvain Rabetsaroana. Niatrika fanadihadiana ataon’ny « Brigade mixte » hatramin’ny andro omaly, tsy araka ny resaka naely tamin’ny tambajotran-tserasera sy ny fampahalalam-baovao samihafa fa nidoboka am-ponja eny Tsiafahy. Efa 10 andro ityloholona teo aloha ity no voatazona eny amin’ny BC noho ny vesatra «atteinte à la sûreté de l’état». Araka ny fanampim-baovao, tratra tao an-tranony ny ny fitaovam-piadiana nahitana bala an’arivony na « milliers des munitions pour fusil de chasse », vola maro be, ⁠Bala 9mm sy 7,65mm marobe. Taoriana kelin’ny fionganan’ny fitondrana Rajoelina dia ny 30 oktobra 2025 moa dia nipoitra tamin’ny fahitalavitra iray izy nilaza fa nisy nanafika, ka lasa ny basy fampiasany « fusil de chasse » miisa roa. Raha tsy misy ny fiovana, hatolotra ny Fitsarana anio alakamisy 26 martsa 2026 i Sylvain Rabetsaroana. Mety mbola hisy olona maromaro ahitana mpanao politika, olom-boafidy,… voasaringotra amin’ity afera Rabetsaroana ity, saingy tsy mbola nisy filazana ofisialy, ka andrasana ny tohiny. Niely ihany koa moa omaly ny hoe : nosamborina ny manamboninahitra iray efa misotro ronono Jeneraly Alfred R sy miaramila maromaro, saingy tsy mbola nisy fanamarinana ofisialy avy amin’ny manam-pahefana mikasika an’izy io.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT