Fandriampahalemana

Sosotra amin-dRajoelina Mandrahona hikomy ny Karana…


  • Zoma 17 Mey 2019

Nangina ny raharaha fakana an-keriny nandritra ny nitondran’i Andry Rajoelina ny firenena, raha nanjaka nialoha sy nandritra ny fifidianana filoha. Manodidina ny 17 ny fakana an-keriny teratany karana nandritra iny taona 2018 iny, ka lasibatra ry Hiridjee Mustafa tompon’ny Ocean Trade,

 

 

 

 Rishi Chandarana tany amin’ny volana jona, ary taty amin’ny 21 novambra 2018 dia nisy an-dry Arman Kamis, tany Toamasina, ka i Haja Manantena izay efa navotsotry ny fitsarana no voatonona ho atidoha. Nisy ny fepetra noraisin’ny mpitandro filaminana. Nahomby ve ny paikady ? Fifanandrifian-javatra ihany ve ny fitsaharan’ny fakana an-keriny taorian’ny fahavitan’ny fifidianana ? Raha ny loharanom-baovao, nandrahona ny hampikatso ny toekarena teto ireo vondron’ny karana noho ny karazana afobe zakainy sy ny fahatsapana fa volosana amin’ny alalan’ny fitakiana volabe tamin’ny fakana an-keriny ka voafehy ho azy. Efa nivory mangina haneho ny heriny ary mbola mitazona ny heviny izy ireo fa vao misy zavatra manohintohina azy dia hampikatso ny toekarena. Izy ireo no mifehy ny sehatra ara-bary eto. Ny tontolon’ny herinaratra eo am-pelatanany amin’ny alalan’ny Filatex-Enelec, Symbion-Vima, First Energy, Hydelec,… izay mpamatsy ny Jirama. Ny tontolon’ny solika, eo am-pelatanany ka misy ny misehatra amin’io no mamokatra herinaratra. Ao koa ny tambajotran-tserasera eto amintsika. Ny banky dia saika an’ny karana ny ankamaroany, toy ny BNI, BGFI Bank, BMOI, Microcred Baobab, Ny indostria samihafa dia azy ireo ny ankamaroany eto. Ireny “quincaillerie” matanjaka be eto ireny, dia saika an’ny karana. Ny any amin’ny ladoany sy ny fitaterana mifandraika amin’izany dia efa hanjakany. Afaka manao takalon’aina ny toekarena izy ireo ankehitriny. Mandrahona ny tsy hiasa, tsy hivarotra ao anatin’ny herinandro, vao voatohintohintohina ary efa namotopototra lalina an’io fa tsy maty antoka ao anatin’io fe-potoana io. Loza sy mampikorontana firenena kosa raha ny famatsiana solika, ny serasera rehetra, ny banky,… no mikatso eto. Mety izay no mampandamoka ny adihevitra mahakasika ny solika izay nambaran’ny filoha fa hampidininy. Mihamafy hatrany ny mpandraharaha karana eto. Ny Malagasy anefa miady na ampiadiana noho ny resa-politika sy ny fitiavan-tena.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT