SOAVINANDRIANA

Tratra ireo mpamaky trano roa sy mpandray entana halatra


  • Alarobia 09 Jolay 2025

Lehilahy miisa roa no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny CSP Soavinandriana

ny alin'ny 06 Jolay teo nandritra ny fisafoana nataon'izy ireo. Rehefa nosavain’ny Polisy izy roalahy ireto dia nahatratrarana entana maro mampiahiahy sy fitaovana hahafahana mamaky trano. Rehefa nohadinkadinina tokoa ireto farany dia niaiky fa avy namaky trano tao amin’ny fokontany Avaratsena saingy nifanehatra tampoka tamin'ny Polisy. Tamin’ny fanadihadiana dia nanoro ny vehivavy iray mpandray ny entana avy hangalariny ireto mpamaky trano ireto. Notazonina tao amin'ny kaomisaria izy telo ireto nanaovana fanadihadiana sy hatao andrimaso ka fantatra fa hiakatra fitsarana anio Alarobia 09 Jolay.
Pati
Légende :Ireo olon-dratsy sy ireo entana halatra tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT