Fandriampahalemana

Soavinandriana Itasy Efa tongan’ny jiolahy mitondra antsy ihany koa


  • Talata 22 Martsa 2022

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao amin’ny tsenan’i Soavinandriana afak’omaly tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany hariva.

 Vehivavy iray niantsena no narahina jiolahy miisa 2 ka nosakanany. Ny iray nanambana antsy ilay vehivavy raha nanendaka izay zavatra rehetra teny amin’ilay vehivavy kosa ny iray. Rehefa azon’ireo jiolahy ny zavatra notadiaviny dia nirifatra nitsoaka izy ireo. Niezaka niantso vonjy ilay niaram-boina nandritra izany ka polisy nanao ny asany teo amin’ny « Barrage de securité » teo Antranoroa no naheno izany ka dia namonjy ny toerana nitrangan’ny fanendahana. Rehefa nifanena tamin’ireto Polisy ireo jiolahy dia nariany avy hatrany ilay fitaovam-piadiana teny aminy. Tratra moa ireto farany ka rehefa nosavaina dia mbola hita teny amin’izy ireo ny vola mitentina 800.000 Ar vao avy nendahiny teny amin’ilay vehivavy. Naverina tamin’ilay tompony ilay vola araka izany. Izy roa lahy kosa nentina natao fanadihadiana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy jiolahy nanafika tao amin’ny tsena tao Soavinandriana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT