Fandriampahalemana

Soavina Atsimondrano Rongony 20 gony no nodorana


  • Talata 13 Oktobra 2020

Rongony miisa 10 gony lehibe, notsinjaraina tanaty gony kely miisa 20 no tra-tehaky ny polisim-pirenena avy ao amin’ny PPA Soavina teny an-toerana omaly Alatsinainy.

 

 

 

Ny alahady 04 oktobra teo tokony ho tamin’ny 12 ora alina no nahitan’ny andrimasom-pokonolona manao fisafoana ireo andian’olona nilanja gony miisa roa teny amin’ny vahalava manodidina ny kaominina Soavina hivoaka ho any Anosizato sy ampitatafika iny. Vao nahita ireto andrimasom-pokonolona ireto anefa mpilanja gony dia nanary ny entana nentiny ka lasa nandositra avy hatrany. Nosavaina ireo gony ka fantatra fa rongony no tao anatiny. Niantso polisy avy hatrany ireto farany ka nogiazana tao amin’ny PPA Soavina ireo rongony tratra ireo. Ny talata 06 oktobra tokony ho tamin’ny 04 ora sasany hariva ihany koa dia rongony miisa 08 gony lehibe indray no tra-tehaky ny sefom-pokontany eny Soavina sy ny andrimasom-pokonolona teny amin’ny manodidina ny toerana nahatrarana ireo roa gony ihany koa. Nogiazana avy hatrany koa ireo rongony ireo. Rehefa nozahana ny gony lehibe tsirairay dia nahitana gony kely 02 avy tao anatiny. Rehefa hatontaly izany dia rongony miisa 20 gony kely no tra-tehaka teny Soavina. Mbola mitohy hatrany ny fikarohana ny tompon’ireo rongony ireo. Omaly Alatsinainy no notanterahina teo amin’ny tany malalaka manodidina ny PPA Soavina ny fandorana ireo rongony ireo. Teo anatrehan’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Fitsarana, sy ny solontenan’ireo olom-boafidy teny an-toerana no nanatanterahana izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT