SOAMANANDRARINY

Voasambotra i Rast sy ny anabaviny


  • Alatsinainy 24 Febroary 2025

Efa ny ela fa voasambotra i Rast ny anabaviny mpiray tsikombakomba amin’ny ratsy.

Itsy voalohany no manao ny asa ratsy raha ilay anabaviny kosa no mpampiantrano azy sy mpivarotra ny entana halatra. Jiolahy efa ela nikarohana azy noho ny afera vaky trano misesisesy sy tao amin'ny Fokontany Ambohimahitsy kaominina ambanivohitr’ Ambohimangakely, distrikan’ Avaradrano zoky "rasta" .Voasambotry ny zandary avy amin'ny 21 Febroary teo izy ary nilaza ireo heloka rehetra efa vitany. Nosamborina ihany koa ilay anabaviny izay tratra tany Bemasoandro Fokontany Manantenasoa, kaominina ambanivohitr’ Ambohimangakely. Vilany lehibe iray, speaker iray izay samy halatra avokoa no tratra niaraka taminy. Toraka izany koa ny lakile marobe, karatra banky fakàna vola an'olona maromaro sy karine caisse d'épargne izay tany amin'ireo trano efa novakiany. Hatolotra ny fitsarana amin’ity herinandro ity izy mianadahy ireto.
Pati
Legende : Nampiarahina tamin’izy mianadahy tahaka izao ilay vilanibe nangalariny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT