Soalazaina Ambatondrazaka

Mpanao kidnapping 3 maty, basy mahery vaika roa tratra


  • Talata 06 Mey 2025

Basy marika kalachnikov AK47 misy bala 6 sy poleta iray no latsaka teo am-pelantanan’ireo

mpanao fakana an-keriny na « kidnapping » tao amin'ny kaominin'i Soalazaina Ambatondrazaka nandritra ny fifandonan’ireo olon-dratsy sy ny mpitandro ny filaminana ny alin'ny sabotsy hifoha ny alahady teo. Nifampitifitra tamin'ny zandary ireo mpaka an-keriny ka 2 lahy sy 1 vavy no maty, raha ny tatitra. Tena hary fitaovana ireo olon-dratsy, ary basy tsy fitazona sivily mihitsy no nampiasainy. Avy aiza itony basy mahery vaika itony ? Misy mpitandro filaminana mampanofa basy sanatria ? Sa basy niparitaka hatry ny ela noho ny sakororoka sy savorovoro politika ? Na inona na inona antony, dia miharihary fa tsy milamina ny tany, mirongatra ny tsy fandriampahalemana saika manerana ny nosy, miparitaka ny fitaovaom-piadiana, mandry tsy lavo loha ny vahoaka,…
Nangonin’i Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT