Fandriampahalemana

Soalazaina - Ambatondrazaka 30 tapitrisa Ariary vao votsotra ilay takalon'aina


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Navotsotr’ireo mpaka ankeriny omaly maraina ny tovolahy iray, 24 taona, nataon’izy ireo takalon’aina nanomboka ny alahady 23 aogositra teo.

Vola mitentina 30 tapitrisa Ariary no notakian’ireo mpaka ankeriny ho tambin’ny famotsorana ilay tovolahy. Voaloa avokoa ny vola, votsotra ity farany, efa tafaverina eo anivon’ny fianakaviany ary salama tsara. Zanaky ny lefitry ny Ben’ny tanàna Kaominina Soalazaina, Distrika Ambatondrazaka ilay tovolahy nataon’ny jiolahy takalon'aina. Teny an-dalana hamonjy ny toerana filasiana izy sy ny namany roalahy ny alahady 23 aogositra 2020 tokony ho tamin’ny 11 ora alina, rehefa avy nanaraka ny fanazavan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mikasika ireo fepetra ara-pahasalamana ho an’ny 15 andro manaraka, no nosakanana efa-dahy. Ny roa tamin’ireo jiolahy naka sy nitondra azy avy hatrany, ny roa hafa niambina ireo roalahy naman’ilay tovolahy sady nanome ny laharana finday ahafahana mifandray sy miady varotra ny vola tambin’ny famotsorana ilay takalon’aina. Karohina fatratra ireo mpaka ankeriny ireo amin’izao.

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT